Mila sahy

 

Efa mandeha sy miparitaka ny lalàna mifehy ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna. Efa mila vonombonona avokoa izay te hilatsaka hofidiana. Fotoana izao hanombohan’ny fandraisana andraikitra avy eny ifotony. Indrindra ho an’ny tanora na lahy na vavy. Zava-dehibe ny fahasahiana mamaky lay. Mila zatovo vonona sy vanona ny taninjanaka.
Fotoana izao hanehoan’ny rehetra ny fitiavana an’i Madagasikara izay nipoirana sy hiafarana. Tsy misy 1 % ny Malagasy akory no mba afaka ny hifindra-monina na hila ravinahitra any ivelany. Mazava ho azy, tsy mana-jo hanao an-tsirambina ilay firenena na iza na iza. Tsy maintsy mijoro sy mitady ny fomba hampandrosoana azy izay mety mbola manam-panahy, mahatsapa izany.
Sanatrian’ny vava ve dia ho ambakan’ireo mpila ravinahitra tonga eto an-toerana ilay milaza fa Malagasy, saro-piaro amin’ny taniny. Raha mandinika isika, moa tsy ireny olona lazaina fa mpiavy hatrany no tena mamelona ny toekaren’ilay firenena. Aiza ireo mitonona fa zanantany? Vitsy dia vitsy no tazana sy mahavita mifaninana amin’ny vahiny, amin’izay anjara fampandrosoana izay.
Ny indrokely aza, ny samy Malagasy gasy ray, gasy reny no mifampisompatra sy mifamingana. Sanatrian-dresaka ataon’ny hafa fitaovana, zarazarainy tokoa hanjakan’izy ireo. Tsy mahagaga rahateo izany, manoloana ny toe-tsaina mamohehatra ananatsika mianakavy: Ory hava-manana. Mahafaly ny Malagasy ny mifampisintona midina sy mifamingana, ary mandatsa izay potraka.
Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra ilay izy! Mila potserina sy vakiana izay maharary mba hahafahana mitsabo azy. Mitaky tanora resy lahatra sy tsy matahotra ny handray andraikitra izany. Hiandry rahoviana izany fa fotoana izao hitsanganana. Ny fifidianana dia sehatra iray malalaka ahafahana manao izany. Alao hery ary!

r.r

Partager sur: