Potika ny lohany: lehilahy maty nitifi-tena

Tsy fantatra ny zava-nisy marina nahatonga ny tovolahy iray nitifi-tena, omaly. Basy efa nirefodrefotra no nanaitra ny mpiray tanàna. Ny basin-drainy no namonoany tena.

Nandriaka ny ra, lehilahy 18 taona maty nitifitra ny tenany tamin’ny ba­sy tao Ambatoafo, distrikan’i Sambava, ny 19 aogositra teo. Nijanona irery tao amin’ny trano fonenany io lehilahy vao herotrerony io. Manana basy anefa ny rainy. Hitan’io lehilahy io raha teo ny toerana fampirimana io fitaovam-piadiana io. Nirefotra tampoka ny basy tao amin’ny tokantrano iray. Taitra ny manodidina. Nikoro­paka nijery tao anatin’ny trano ny fokonolona. Nitsirara ta­min’ny tany, potiky ny tifitra ny lohan’ilay lehilahy. Tsy nisy aina intsony izy.

Nipetraka tsy lavitra ny vatany ny basy. Nidina ifotony nanao ny fizahana ny vatan’io namoy ny ainy io ny mpitsabo ao an-toerana sy ny mpitandro filaminana. Voamarina tamin’izany, nitifi-tena tokoa io lehilahy io. Tsy fantatra mazava ny anton’ny nandrisika azy hanao izany. Etsy ankilany, naneho fihetsika hafahafa sy tsy tompon’ny tenany loatra io lehilahy io andro vitsy lasa, araka ny fanadihadiana. Tsiahivina, vao ny herinandro lasa teo no nisehoana tranga famonoan-tena nataon’ny lehilahy iray teny Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano. Fahadisoam-pantantenana sy alahelo diso tafahoatra matetika no mitarika ireo olona hamono tena.

Tsiferana R.

Partager sur: