RPSD : “Tsy tokony hambaniana ny fametrahana kandidà”

“Tsy tokony hambanimbaniana ny fametrahana kandidà eto. Misy fisainana sy fiaraha-mientana. Tsy vitan’ny antoko politika irery ny manohana kandidà ho ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny RPSD eo anivon’ny Irmar, Andriantsizehena Benja Urbain, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivo­hitra. Tokony hotandremana tsara ny fifantenana sy fanolorana izay ho kandidà, hiaraha-mijery amin’ny antoko politika rehetra miaraka amin’ny fitondrana.
“Manohana ny kandidà hatolotry ny fitondrana izahay. Nefa mila jerena tsara ny hoe: iza ny olona tokony hapetraka? Amin’izay, mba tsy hisy mifanome tsiny”, hoy izy. Mila olona mahafehy ny ho ben’ny Tanàna Antananarivo Reni­vohitra no tokony hatolotra hotohanan’ny fitondrana amin’izany. Tsy vitan’ny lafiny teknika izay, fa eo indrindra koa ny lafiny politika. Matoa lasa ben’ny Tanàna Antananarivo Renivohitra, afa-miresaka amin’ ny antoko politika rehetra manohana ny fitondrana izany. Tsy mifanilikilika izany.

R. Nd.

Partager sur: