SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny dingana ampahavalon-dalana, anio alakamisy 22 aogositra, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans, taranja basikety. Hatao ny alahady 25 aogositra izao kosa ny dingana famaranana hahafantarana izay ho tompondaka.

Nifarana tanteraka ny taom-pilalaovana 2024 ho an’ny ligin’Analamangan’ny Volley ball. Vita avokoa ny fifaninanana rehetra ary miatrika ny fifaninanana nasionaly izay mbola tsy vita amin’izao fotoana izao, ho an’ireo klioba eo anivon’ny ligin’Analamanga.

Mbola nanohy ny lalao, omaly alina, ny ekipa malagasy, niatrika ny fifaninanana PUBG ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika E-Sport, na dia laharana fahefatra aza. Hifaninana any Arabie Saoudite ny solontena malagasy, raha toa ka mihatsara io filaharana io.

Manomboka mitety faritra mampahafantatra ny tantaran’ny Kung fu, ny federasiona malagasin’ny Kung Fu. Taorian’Analamanga, izay nisitraka izany ny 11 aogositra lasa teo, nahazo ny anjarany koa Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo, ary mbola ho any amin’ny faritra hafa ihany koa.

Partager sur: