Tantaram-pirenena: havoaka anio ny boky “Feux, fièvres, forêts”

Ela niandrasana ny mpankafy boky malagasy, indrindra ireo liana amin’ny resaka tantara. Maro ny vahiny no babon’ ity “Feux, fièvres, forêts” ity, indrindra nandritra ny famoahana azy voalohany ny volana marsa 2023.

Tanterahina anio, eny amin’ny Trano fivarotam-boky « Il était une fois » Ankorondrano, ny fanehoana ny boky “Feux, fièvres, forêts”, nosoratan’i Marie Ranjanoro, ho an’ny eto Madagasikara, raha efa ny taona 2023 izany no nivoaka tany ampitan-dranomasina. Fampahafatarana ny boky, tafatafa sy resadresaka iarahana amin’ny mpanoratra, iresahana mahakasika ny boky sy ny tantara ao anatiny no handravaka ny fandaharam-potoanan’ity anio ity.
Pejy miisa 230 no mandrafitra ny “Feux, fièvres, forêts”. Amin’ny ankapobeny, ny tolom-panafahana ny taona 1947 no resahina ao. Misy kosa anefa ny tantaran’Ivo sy i Voara, i Lietnà Pierre Gallois d’Hau­rous­se, izay mpitari-tafika frantsay, ary Amouliakar Sow, Senegaly mpitifitra tamin’izany andro izany, izay mpandray anjara fototry ny tantara amin’ity boky ity. Maro ny babon’ny tantara sy ny fahaiza-manoratry ny mpanoratra. Ankoatra ny fitantarana ny niainan’ireo mpanao ny tolom-panafahana ny taona 1947, hain’i Marie Ranjanoro ihany koa no na­naingo izany tamin’ny zana-tantara mahakasika ny fiainan’ireo mpandray anjara fototry ny boky nandritra ny tolom-panafahana 1947.
Teratany malagasy, nandranto fianarana tao Frantsa ity mpanoratra ity. Manana mari-pahaizana mahakasika ny “Sciences politiques” tany Aix- Provence izy. 33 taona ny tenany izao ary boky voalohany navoakany ny “Feux, fièvres, forêts”. Ny fahatsapany ny zava-misy ara-javakanto sy kolontsaina ary ara-piarahamonina eto Madagasikara no anisan’ny antony nanoratany ity boky ity. Tsapa mantsy fa maro ny Malagasy, indrindra ny tanora, no tsy mahalala ny tantaran’i Madagasikara. Efa maro anefa ireo boky mirakitra izany saingy tsy nahasarika azy ireo izany. Izany indrindra no nanaovana ny boky sy ny tantara amin’ny endriny hafa, saingy tsy mivoana amin’ny tantara mba hahalina kokoa ny mpamaky.

Lin

Partager sur: