TARATRY ny KANTO

Manana mpikabary maro i Madagasikara ! Nandritra ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny FI.MPI.MA. Ny taona 2023 sy 2024, miisa 5868 ny mpianatra kabary navoaka. Ny 2505 navoaka ny taona 2023, ny 3363 ny taona 2024. Maherin’ny 300 kosa ny mpampianatra niara-nisalahy niandraikitra izany. Ho an’Antananarivo manokana, mahatratra 810 ireo mpianatra navoaka nandritra ny lanonam-panokafana ny « Herinandron’ny kabary », tao amin’ny Lapan’ny tanora sy ny fanatanjahantena Imahamasina. Nahitana ny sokajy taninketsa sy mpiofana ary takalo.

Fampiharana ny atrikasa natao ny talata lasa teo indray, no handravaka ny fandaharam-potoanan’ny « Iray volan’ny Varatava », atao eny amin’ny IKM Antsahavola, anio. Ao anatin’izany no hanaovan’ireo mpiofana sary varatava, hampiaran’izy ireo ny paikady mahomby hahatsarana ny sary ataon’izy ireo.

Nanomboka omaly, mitohy anio, ary hifarana rahampitso ny fifaninanana kilalaon-tsaina, ao anatin’ ny hetsika « Salon des Jeux de Société », atao eny amin’ny AFT Andavamamba. Jeux de Go, Uno sans Pitié, Mario Kart, Jeu de carte Yu- Gi- Oh. Ireo no ho hita eny an-toerana amin’ity anio ity.

Ny Cie Dihy Lavitra, avy eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny sora-dihy “Metier”, sy i Keziah Jonah, amin’ny alalan’ny sora-dihy “Beloved « Oui ou Non » » no hanokatra ny « Festival Temps Forts Danse », andiany faharoa, ny 28 aogositra 2024, eny amin’ny IFM Analakely.

Partager sur: