Nikarakara mariazy faobe ho an’ny mponina ao aminy ny etsy anivon’ny boriborintany fahefatra, omaly. Hetsika niaraha-nanatanteraka tamin’ny Fonds d’intervention pour le développement (Fid). Nisitraka izany ireo mpivady sivy, avy ao amin’ny fokontany Ankazotoho Anosimahavelona, ao anatin’ny boriborintany fahefatra. Tanjona ny hamaliana ny filan’ny mponina sy hahafahana manampy azy ireo hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Tombony amin’ny fanaovana mariazy faobe ny maha maimaimpoana ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra. Betsaka ny nazoto fa izay nahafeno fepetra ihany no nisitraka ny tolotra. Anisan’ ny fepetra notakina ny fahavitana ireo antontan-taratasim-panjakana ara-dalàna rehetra teo amin’ny mpivady. « Tena mazoto manao mariazy faobe ny olona, indrindra ireo mponina sahirana fa anisan’ny olana ho azy ireo ny fikarakarana ny antontan-taratasy », hoy Ranalimalala Voahangy, Délégué au maire miadidy ity boriborintany ity. Nambarany fa somary manahirana sy ela ny fahatongavan’ny kopia ho an’ireo mponina teraka tany amin’ny faritra.
Mbola hisy ny andiany manaraka ho an’ireo fokontany hafa. Ho avy tsy ho ela ny an’ny fokontany Anosibe Ouest II ary ezahina hisitraka izany ny mpivady miisa 80 eo ho eo. Eo am-pikarakarana sy fanentanana ary fandraisana ny antontan-taratasy rehetra ny eo anivon’ny firaisana fahefatra amin’izao fotoana izao.
Mino