dr razafindrakoto idah: hitafa amin’ny Malagasy mpanao sary

Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny tafatafa sy resadresaka iarahana amin-dRazafindrakoto Idah, tovovavy malagasy mpiangaly ny fanaovana sary. Ireo mpiantsehatra eo amin’io tontolo io no andrasana ao anatin’izao hetsika izao. Anisan’izany ireo mpanao hosodoko, mpanao sary ary mpanao tantara an-tsary. Tanjona ny hizarana fahaiza-manao matihanina sy manaraka ny fenitra ary torohevitra sy torolalana mba hahombiazana eo amin’ity sehatra ity. Mitohy hatrany ny fanararaotra ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny sary. Anisan’izany izao tafatafa iarahana amin-dRazafindrakoto Idah izao. Ity farany izay efa matihanina eo amin’izany sehatra izany. Maro tokoa mantsy ny Mala­ga­sy, indrindra ireo tanora, no manana talenta amin’ izany, ao ihany koa ireo liana sy tia manao sary, na dia tsy manan-talenta aza. Ny ahafahan’ireo tanora ireo mitrandraka sy mamadika ny talentany sy fi­ni­a­vany ho fahombiazana ho azy ireo no tanjona ao antin’izao hetsika izao. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny IKM.
Tena ilaina ny fisian’ny mpanakanto matihanina, mi­za­ra ny fahaiza-manaony sy ny lalana nolalovany nahatongavany amin’ izany sehatra izany sahala amin’izao, ho fitaratra ho an’ireo vao hisan­dratra.

Lin

Partager sur: