“Ampanaovina iraka tsy ho vitany akory ireo mpikamban’ny governemanta ireo”, hoy ny depiote, filohan’ny mpanohitra, Randrianasoloniaiko Siteny. Nohitsiny fa tsy manam-bola ampiasaina izao fanjakana izao. “Mitovy amin’ny olona omena fiara miala any Toliary ho aty Antananarivo nefa solika tapany no omena ireo minisitra”, hoy ihany izy. Tsy misy dikany akory ny tombana nataon’ny filoha, araka ny nambarany.
Tsy mitombina mihitsy raha resaka hetra no hanakanana ny filatsahan-dRavalomanana Marc hofidina ho ben’ny Tanàna, araka ny nambaran’ny filohan’ny FMI-Malagasy, Ratsietison Jean Jacques. Nanteriny fa efa nilatsaka filoham-pirenena ary neken’ny HCC hatrany ny filatsahan-kofidiny. Kajikajy politika ny ankoatra izany, araka ny nambarany.
Nametraka sy nanamafy ny fanamby ny depiote Gascar Fenosoa, araka ny nambarany, omaly. Notsindriny fa nisafidy ny ho olom-boafidy ny tenany”. Tsy mbola nanana, tsy manana ary tsy hanana eritreritra ny hanao olom-boatendry ho minisitra na toerana hafa satria ny vahoaka ihany no patron-ako”, hoy izy.
Hatonta any Afrika Atsimo ny biletà tokana hampiasaina amin’ny fifidianana eny anivon’ny kaominina, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni. “Nahafeno ny fepetra takina amin’ny fanontana ireo taratasy saro-pady ilaina amin’ny fifidianana tahaka izao i Afrika Atsimo”, hoy izy ireo. Nialohavan’ny fanadihadiana izany vao nandraisana fanapahan-kevitra.