Fitantanana ranomasina Cop 11: firenena fikaroham-bahaolana sy hiasana i Madagasikara

Nifarana omaly, ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny Fifanarahan’i Nairobi (Cop11). Nasongadina fa i Madagasikara dia firenana fikarohana vahaolana sy fandraisana andraikitra.

Lohahevitry ny Cop11, natao teto Madagasi­kara, ny « Fiaraha-miasa isam-paritra ho an’ny toekarena manga maharitra, fanatsarana ny fitantanana ny ranomasimbe Indiana Andrefa­na ». Raha aravona, miisa telo ny krizy mitranga maneran-tany: ny fahaverezan’ny karazan-javamananaina an-dranomasina, ny fandotoana an-dra­nomasina ary ny fiovan’ny toetr’andro. Nasongadina fa ohatra alain-tahaka i Mada­gasikara, satria firenena fikarohana vahaolana sy fandraisana andraikitra.
Nampahafantarina nandritra ny fivoriana ny zava-bita avy amin’ny volavolan-kevitra tapaka tamin’ny Cop 9 sy ny Cop 10. Nodinihina ny fandaharanasa iombonana hotanterahina amin’ny taona 2025 ha­tramin’ny taona 2028.
Nilaza ny minisitry ny Ton­tolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Fontaine, omaly, fa anisan’ny lalan-tsaina naseho ny fahaizan’i Ma­da­gasikara amin’ny lafiny diplaomasia maitso. Nisy ny adisisika natao amin’ny lafiny fitantanana ny fari-dranoamasina tsy misy tompony. Eo koa ny toeran’i Madagasikara amin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena hafa, toy ny Fifanarahan’ i Rio mahakasika ny karazan-javamananaina, ny fiovan’ny toetr’andro, ny fahangazanan’ ny tany.

Fivoriana avo lenta
Natao nandritra ny andro voalohany ny fivorian’ny mpiara-miombon’antoka samihafa, ara-bola sy ara-teknika, toy ny Usaid, ny Foibem-pikarohana, ny sehatra tsy miankina, sns. Ho an’ny ma­soivohon’ireo firenena miisa 11 ao anatin’ny Cop 11 ny andro faharoa. Fivoriana avo lenta, nihaonan’ny minisitra voakasika (4 ho an’i Mada­gasikara, 5 ho an’ireo firenena vahiny), miampy ny filohan’ny delegasiona ary ny tale mpanatanteraka isan-tsokajiny kosa ny andro fahatelo.
Marihina fa voatazona ho minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra i Max Andonirina Fontaine, nandritra ny fanendrena ny mpikambana ao amin’ny go­vernemanta, omaly.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: