GEM: mandrisika ny fiaraha-miasa anatiny

“Sehatra telo goavana azo hampiasam-bola eto Madaga­sikara ny harena an-kibon’ny tany, ny fizahantany ary ny fandraharahana eo amin’ny fambolena”, hoy ny filohan’ny Vondron’ny orinasa eto Mada­gasikara (Gem), Rabarijohn Francis, nandritra ny fihaonany tamin’ireo delegasionina avy amin’ny Japan External Trade Organization (Jetro), ny herinandro teo. Zava-dehibe, hoy izy, ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra eto an-toerana noho izy ireo mahafantatra bebe kokoa ny zava-misy eto Madagasikara. Antoka ho an’ny fahombiazan’ny teti­kasa, araka izany, ny fahalalana ny zava-misy. Ankoatra izay, nanao tombana ny fahitan’ireo tompona orinasa ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ihany koa ny Jetro.
Fotodrafitrasa
Nilaza ny filohan’ny Gem fa fanamby hatrehina hampivoarana ny fampiasam-bola eto Madagasikara ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa samihafa, toy ny lalana, ny seranan-tsambo, sns. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo, mba hampihenana ny fiankinan-doha amin’ny Jirama. Ary ny fanamafisana ny rafitra ara-pitsarana hahazoana ny fampiasam-bola, indrindra ny sehatry ny fananan-tany. Ankilany, nitondra fanazavana ireo antony nanaovana ny tombana eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Japon sy Madagasikara ny Jetro. Tanjona ny hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bolan’ny firenena japonais maneran-tany.

Henintsoa Hani

Partager sur: