Governemanta vaovao: zara mira ny isan’ny lehilahy sy ny vehivavy

Nampahafantarina omaly, teny Iavoloha, ireo mpikambana mandrafitra ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. 50 % tamin’ny olom-boatendry no vehivavy.

Olom-baovao ny minisitry ny Fitsarana, Rakoto­mandimby Benjamin. Ny minisitry ny Atitany, Rahaja­vololoniaina Nirintsoa. Hisa­hana ny minisiteran’ny Fampi­anarana ambony, i Chaminah Loulla. Olom-baovao koa ny misahana ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison Sergio. Minisitry ny Fampiana­rana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Hiandraikitra ny Indostria sy ny varotra, ny mi­nisitra Ralambofiringa David. Minisitra hisahana ny Asa va­venty, Rafidison Richard Théo­dore, governoran’ny faritra Atsi­nanana. Hiandraikitra ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, ny minisitra Viviane Dewa ary mbola vaovao koa ny minisitry ny Mponi­na, Razafin­jato Aurélie, depioten’i Vohi­bato. Hisahana ny fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mi­rindra sy ny paositra, ny minisitra Stepha­nie Delmotte. Mini­sitra vaovao miandraikitra ny Rano sy ny fanadiovana, Andrianame­lasoa Lalaina. Hisahana ny Tanora sy ny fa­natanjahantena, ny mi­nisitra Abdulah Marson. Minisi­try ny Serasera sy ny kolontsaina kosa i Volamiranty Donna Mara. Anisan’ny olom-baovao sady departemanta vao na­tsangana ny sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahin’ny Avo.

Naverina amin’ny toerany

Mbola voatana eo amin’ny toerany avy kosa ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahi­velo Monja Delphin. Ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Ny minisitry ny Toekarena sy ny vola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Tahaka izany koa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Rakotoarimanana Herilala, sy ny minisitry ny Fa­ha­salamana, Randriama­nan­tany Zely. Tafaverina amin’ny sezany ny minisitry ny Fana­beazam-pirenena, Sahon­dra­ri­malala Marie Michelle, ny minisitry ny Fitaterana, Ramon­javelo Valery, ny minisitry ny Angovo, Jean Baptiste Olivier, ny minisitry ny Asa, Razaka­boana Hanitra. Mbola voatana amin’ny toerany koa ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Olivier sy ny minisitry ny Tontolo iainana, i Andonirina Max Fontaine. Eo amin’ny toerany ihany ny minisitry ny Jono sy toekarena manga, i Mahatante Paul Bert. Mbola minisitra delegen’ny zandary, ny Jly Rakotondra­zaka Andry, ary ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanà­na vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gerard.

Partager sur: