Manana ny anjara toerana lehibe eo amin’ny fampivoarana ny maha olona ny kolontsaina sy ny kolosaina. Raha ireo no atao antsirambina, maro ny zavatra miova. Mety ho very hatramin’ny fototra mihitsy aza…
Raha ny famaritan’ireo manam-pahaizana manokana momba ny tantara sy ny fomba amam-panao : «ny fananana tanindrazana, tenindrazana, tantara sy fomba amam-panao» no maha firenena ny firenena iray. Hatramin’izao, mbola tsy nisy nitsipaka io petrakevitra io. Akelezina kokoa ny sehatra iasana, i Madagasikara no tanindrazan’ny Malagasy. Ny teny malagasy no ifampiresahana. Manana ny tantara sy ny fomba amam-panao mampiavaka azy ny Malagasy. Izany hoe, mahafeno ny fepetra maha firenena azy izany i Madagasikara sy ny Malagasy ao aminy.
Saingy, malaza tsy hihinanana toy ny viliantsahona ihany izany. An’ny Malagasy tokoa ve i Madagasikara? Miaina sy mampiasa ny teny malagasy tokoa ve ny Malagasy? Firy amin’ ny Malagasy no mahafantatra ny tantarany sy ny fombany? Raha ireo rehetra ireo no dinihina, toa tsy firenena tena izy intsony i Madagasikara sy ny Malagasy fa kisarintsarim-pirenena. Firenena an-taratasy fotsiny (famaritana ara-politika).
Miaina anaty kisarintsary
Tsy mahagaga raha kisarintsary avokoa ny zavatra hita amin’izao fotoana. Anisan’ny tontolo ivandravandran’io tranga io ny kolontsaina. Hira, kisarintsarin-kira malagasy. Dihy, kisarintsarin-dihy malagasy. Fiteny, tsy tena malagasy madiorano fa kisarintsariny. Ny fomba, kisarintsarim-pomba sisa fa ny vontoatiny tsy fantatra intsony, sns. Kisarintsarim-pirenena sa firenena kisarisariny?
Anisan’ny antony nahatonga io kisarintsarim-pirenena io ny fanariana ny momba ny tena, ka nanaovana rapadango ny an’ny hafa. Tsy nahay na tsy nahatafita na tsy nahefa ny adidiny ihany koa ve ireo raiamandreny teo aloha no nahatonga ny taranaka aty aoriana tsy mahafantatra sy mankahala ny momba azy?
Mijanona ho fanontaniana ihany io (na mety ho fototry ny olana mihitsy koa angamba?) fa ny zava-dehibe mba tsy hitohizan’izao «kisarintsary» izao dia ny fahalalan’ny tsirairay fa Malagasy manana ny fototra nipoirany sy ijoroany izy.
HaRy Razafindrakoto