lavanila: mpandraharaha 58 afaka manondrana

Miisa 58 ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana (agrément) hanondrana lavanila. Voasokajy anatin’ny indostrialy avokoa izy rehetra ka afaka maka ny fanamarinam-pankatoavana eny amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic) Ambohidahy, ao anatin’ny 15 andro. Tsiahivina fa tafakatra 4 400 taonina ny lavanila aondran’i Madagasikara tamin’ity taom-piotazana 2023-2024 ity, raha toa ka 2 360 taonina izany tamin’ny taona 2021-2022. Vokatra tsara indrindra teo amin’ny tantaran’ny lavanila malagasy tokoa izany ary manomboka maka toerana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny vokatra malagasy. Tafakatra 104 miliara Ar koa ny vola niditra tao amin’ny kitapom-bolan’ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV) ho enti-manatsara ny seha-pihariana sy ny vokatra. Tsiahivina fa 4 Dolara isan-kilao amin’ny lavanila aondrana no alaina hamatsiana ny tetikasam-panavaozana ny seha-pihariana lavanila. Ahafa­hana manatanteraka vina ho fiarovana ny tantsaha mpamokatra, hanatsarana ny kalitaon’ny lavanila sy hametrahana laboratoara manara-penitra hitiliana ny kalitaon’ny lavanila halefa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ary asa maro hafa ihany koa, ny vola azo amin’izany.

Henintsoa H.

Partager sur: