Efa any Afrika Atsimo ny ekipan’ny Disciples FC. Vonona tanteraka hiatrika ny lalao izay hihaonana amin’ny Orlando Pirates, tompon-tanàna, izy ireo androany. Tanjony ny hanoratra tantara eto Afrika.
Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’ny Orlando Stadium Afrika Atsimo, ny fifanandrinana miverina, izay hihaonan’ny Disciples Fc Madagascar sy ny Orlando Pirates Afrika Atsimo, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Ligue des Champions-Caf. Miankina tanteraka amin’ity lalao ity ny ho tohin’ny fifaninanana afrikanina ho an’ ny solontenantsika.
Raha tian’izy ireo ny hiakatra eo amin’ny dingana manaraka amin’ity fifanintsanana ity, tsy maintsy maka fandresena izy ireo. Vonona tanteraka ireo Malagasy mpilalao, araka ny vaovao voaray tany an-toerana. Naneho izany tao anaty tambajotran-tseraserany i Tendry, lohalaharan’ny Disciples FC. « Vonona tanteraka amin’ny lalao aty Afrika Atsimo izahay», hoy izy.
Ny talata lasa teo, nanao fihaonana ara-pirahalahiana tamin’ny ekipam-pirenena Maorisianina, Club M, ity tompondakan’i Madagasikara ity, tao amin’ny kianjan’ny Cote d’Or Maurice. Nandresy tamin’ ny isa 3 no ho 2 ny ekipa malagasy. Samy tsy misy manana tombony amin’ny isa moa na ny Orlando Pirates, mpampiantrano na ny Disciples FC, amin’ity fifanandrinana ity. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala, samy tsy nisy nitoko 0 no ho 0, ny roa tonta, nandritra ny lalao mandroso izay natao tany Maorisy, ny alahady lasa teo.
Raha tafavoaka amin’ity ny Disciples, izay mandresy amin’ny African Stars Namibie sy ny Jwaneng Galaxy Botswana no hihaona amin’izy ireo, eo amin’ny dingana manaraka.
Fitia Randria