LITERATIORA: Hitafa amin’ny mpankafy azy i Johary Ravaloson

Hisy tafa sy dinika iarahana amin’i Johary Ravaloson, ny 28 septambra 2024, eny amin’ny Intsitut Français de Madagas­car (IFM) Analakely. Filazala­za­ny sy fampahafantarany ny mo­m­ba azy, indrindra amin’ny ma­ha mpanoratra boky matihanina azy no handravaka ny fandaharam-potoana amin’io. Tanjona ny hampiroborobo ny zavakanto, indrindra ny asa soratra malagasy. Izany indrindra no nakana mpanoratra matihanina sy misehatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sahala amin’ izao. Hahazo tombony ireo mpankafy ny asa soratra nosoratan’i Johary Ravaloson, amin’ izao fandalovany eto Mada­ga­sikara izao. Hatao izany mba hitafana amin’ny Malagasy mpankafy asa soratra. Raha tsiahivina, anisan’ny boky nosoratany farany ary tena nahaliana ny maro, hatrany ampitan-dranomasina, ity boky mitondra ny lohateny «Fitiavana- Tanin­dra­zana- Fozaorana» ity. Tan­tara foronina izy io. Misy ihany koa ny boky, «La porte du Sud», «Les nuits d’Antanana­ri­vo», «Vol à vifs». «Les larmes d’Ietse»….
Fotoana ahafahana mamaly ny fanontanian’ireo mpankafy, araka izany, ity fihaonana ity, indrindra mahakasika ny aingampanahin’ity mpanakanto ity, ahafahana manoratra tantara foronina sahala amin’izao.

Lin

Partager sur: