Miisa 11 kosa ireo minisitra nisaorana na koa nesorina amin’ny toerany. Eo ny minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Landy Mbolatiana, ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, lasa filohan’ny Antenimierampirenena. Tsy voatendry intsony koa ny minisitry ny Indostria sy ny varotra, Razafindravahy Edgard, lasa filohan’ny COI, sy ny minisitry ny Fampianarana teknika, Lalatiana Rakotondrazafy. Ny minisitry ny Fampianarana ambony, Razafiarison Andriamanantena, sy ny minisitry ny Fambolena, teo aloha, Ratoharijaona Rakotoarisolo koa manampy ireo voasaotra. Tahaka izany koa, tsy anisan’ireo tafaverina amin’ny sezany, ny minisitry ny Mponina, i Fomendraza Haingo, lasa filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Fianarantsoa. Nesorina ny minisitry ny Rano, Ravokatra Fidiniavo, sy ny minisitry ny Fampiroboroboana, ny haitao ara-kajy mirindra sy ny paositra, Razafindrama Tahina. Samy voafidy ho depiote, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny minisitra teo aloha, Resampa Haja, sy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin. Tsy voatendry intsony koa ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana teo aloha, Andriamandrato Joel ary ny minisitry ny Asa vaventy, ny Kly Andrianatrehina Ndriamihaja.
Lin, Fanou,
Synèse R.