MJS: Minisitra i Abdulah Marson Moustapha

Anisan’ny nahazo minisitra vaovao ny eo anivon’ny Tano­ra sy ny fanatanjahantena, taorian’ny fanendrena izay handrafitra ny governemanta vaovao, omaly, teny Iavoloha. Voatendry hisahana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Abdoulah Marson Moustapha. Tsy dia vaovao eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena izy ary fantatra fa mitana andraikitra eo anivon’ny Kaonfederasion afrikaninin’ny baolina kitra. Anisan’ny andraikitra nosahaniny ny naha Talen’ ny kabinetra teo anivon’ny Caf. Efa nitana ny andraikitra maha mpanolotsaina teo anivon’ny FMF sy Caf ihany koa izy fony mbola naha filohan’ny Caf an’i Ahmad. Izany hoe, niara-niasa akaiky tamin’ity filohan’ny Caf teo aloha ity izy. Tsia­hivina fa niala teo amin’ny toeran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny minisitra Resampa André Haja, rehefa nirotsaka hofidina Solombavambahoaka. Nandray ny fitantanana ny minisitra Ramonjavelo Valéry ary izao nahazo minisitra vaovao izao indray. Antenaina fa hampandroso ny tanora sy ny fanatanjahantena ity minisitra vaovao ity, indrindra amin’ny lafiny fanohanana ireo atleta malagasy amin’ny fiarovana ny voninahi-pirenena.

Mi.Raz

Partager sur: