MSK: Voatendry ho minisitra i Mara Volamiranty Donna

Nahazo minisitra vaovao ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Fantatra nandritra ny fanendrena notontosaina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, fa voatendry hitantana io departemanta io ny minisitra Mara Volamiranty Donna.
Raha ho an’ny kolontsaina manokana, maro ny asa miandry ny minisitra vaovao. Anisan’izany ny fanatsarana ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto amin’ny ankapobeny. Saika ahitana olana saro-bahana avokoa izy ireny. Goavana indrindra amin’izany ny fanofanana ny mpanakanto. Tsy amin’ny kanto ataony ihany no tokony hahitana izany fa ilay fomba hidirany ao anatin’ny fandraharahana mihitsy.
Asa miandry ny minisitra Mara Volamiranty Donna iha­ny koa ny fanomezan-danja lehibe ny kolontsaina any ifotony. Manana kolontsaina sy zavakanto «mampitolagaga» i Madagasikara. Mila trandrahina sy omena laka ireny mba hitondra tombontsoa ho an’ny faritra misy azy sy ho an’i Madagasikara manontolo. Fampandrosoana goavana no hita raha toa ka misy lamina sy paikady mazava ny fanatanterahana ireo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: