Rajoelina Andry : « Laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka»

Ireo asa misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka no hatao laharam-pahamehana, araka ny nambaran’ny filoha. Hatao mifanaraka amin’izay ihany koa ny fomba fiasa eo anivon’ny minisitera tsirairay mba hahafantarana marina tokoa izany asa ilain’ny vahoaka izany.

Nandritra ny fanolorana ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, omaly, teny amin’ny La­pam-panjakana Iavoloha, nam­baran’ ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny adidy sy andraikitra miandry ireo minisitra mandrafitra ny governemanta. «Tsy ekena intsony ny tsy fahavi­tana ny andraikitra, ny kolikoly…”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Notsin­driany ihany koa fa anisan’ny nisafidianana azy ireo ny faha­vono­nan’ireto voafidy ho minisitra ireto, ankoatra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany.
Laharam-pahamehana ny fanesorana an’i Madagasikara ao anatin’ny fahantrana. Eo ihany koa ny fampivoarana ny fari-piainan’ny Malagasy. “Eny an-kianja no tokony ho tena androantokon’ny fotoam-piasanareo. Eny ifotony, mijery sy miaina ny fijalian’ny vahoaka sy mijery ny filan’izy ireo”, hoy hatrany izy tanatin’ny kabariny.
Nasian’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, resaka ihany koa ny mahakasika ny fahombiazana miezinezina ara-diplomatika azon’i Mada­ga­sikara, tato anatin’ny fotoana fohy. Araka ny nambarany, ho tohizana sy ho hatsaraina hatrany ny vita teo aloha ary miroso hatrany isika hanatratra ny vina sy ny fanamby napetraka. Anisan’ny hiseharana bebe kokoa ny tontolon’ny fambolena, mba hanatrarana ny tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hampi­harina ao anatin’izany ireo paikady vaovao. Eo ihany koa ny fampiofanana ny tantsaha sy ny fampiasana ny fitaovana matihanina.

Lin

Partager sur: