SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vété­rans, taranja basikety, tanterahina eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Anisany hifanandrina amin’izany
ny Fitefa sy ny MBB, ny MMBC sy ny BCD, ny La Rénaissance sy ny As Éclipse ary ny Tandem sy ny PMBC.

Hatao ny 29 sy 30 aogositra ho avy izao, ny fifaninanana “Tournoi de Capricorne”, taranja judo. Fifaninanana hotanterahina any Toliara, handraisan’ny klioba manerana ny Nosy anjara. Ny sokajy Poussins hatramin’ny Séniors no hifaninana mandritra io roa
andro io.

Hotontosaina any Foulpointe, ny 1 septambra izao, ny “Dona Be”. Fifaninanana ahitana taranja haiady maromaro, toy ny Pancrace, ny Muay Thaï, K1, ny Kick Boxing sy ny haiady maro hafa. Hisy ihany koa ny fampisehoana ankoatra ny “Combat de défi”.

Hatao rahampitso ny fivoriana ara-teknika ho an’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, Séniors, tanterahina any Antsirabe. Ny alahady 25 aogositra kosa no hanombohan’ ny fifaninanana. Tsy nisy fiovana ny isan’ny mpandray anjara, hatreto.

Partager sur: