Taekwondo: 46 mianadahy hiatrika lalao andrana

Hotanterahina anio, etsy amin’ny foibe CFFamma Na­ni­sana, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ny lalao andrana, « Kyorougui », ho an’ireo mpikatroka taekwondo 46 mianadahy, (23 lehilahy sy 23 vehivavy), sokajy Junior. Atleta nipoitra tamin’ny herinandro voalohan’ny fifantenana ny ekipam-pirenena no manao ity fihaonana ity.
Amin’ity herinandro faharoa ity, nilaza ny Tale teknika nasionalin’ny Federasiona ma­lagasin’ny taekwondo (FMTKD), i Dimbiheriniaina Pharlin, fa ireo mpilalao tsara isaky ny sokajy misy azy no afaka miatrika ny fampivondronana, izay hatao ny 5 hatramin’ny 25 septambra ho avy io.
Ho an’ny lehilahy, ny sokajy -45 kg, -48 kg, -51 kg, -55kg, -59 kg, -63 kg, -68kg, -73kg, -78 kg, +78kg, no ha­naovana fifanintsanana. Ny -42kg, -44 kg, -46 kg, -49 kg, -52 kg, -55 kg, -59 kg, -63 kg, -68 kg ary ny +68 kg, kosa ny vehivavy. Tsiahivina fa zava-dehibe tokoa ity hetsika ity, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ho an’ny sokajy Junior, lahy sy vavy, any Korea i Madaga­sikara, manomboka ny 1 ha­tramin’ny 6 oktobra ho avy izao.
Tsara ny mampahatsiahy fa miisa efatra ireo ligy nahatonga solontena tamin’ity he­tsika ity. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, Atsinana­na, Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra.

Fitia Randria

Partager sur: