Hiaka-tsehatra eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, anio hariva, ny tarika Rajery. Ho hita mandritra ny seho ireo hira nankafizan’ny maro ny tarika. Vonona ny hanome fahafaham-po ny mpankafy sy hamoaka ny tsara indrindra avy aminy izy ireo, mandritra izany.
Hifarana tanteraka, anio, ny “Salon des jeux de société” andiany faharoa, natao teny amin’ny AFT Andavamamba. Tohin’ny fifaninanana kilalaon-tsaina maro samihafa no entina hamaranana izany. Anisan’ny hita teny an-toerana, anio, ny Echecs, DBZ Budukai Tenkaichi 3, Puzzle Fighter ary ny Mario Smash.
Mandray anjara amin’ny hetsika “Memoria: recits d’une autre histoire”, atao eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny mpanakanto Ivoarianina, Joana Choumali, miangaly ny saripika. Haikantony miisa roa no harantiny mandritra izany, “I choose peace” sy ny “Face everything and rise”.
Efa vonona ny rehetra amin’ny fampisehoan’ ny tarika Mage 4, tanterahina ny alahady izao, eny
amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Efa lany avokoa ny tapakila sokajy VVIP, VIP, ary ny Silver. “Miandry aho” io no lohatenin’ny fampisehoana, hiandrasan’ny mpankafy ny endriky ny tarika taorian’ny fiovana.