Fampisehoana maneho ny hira malagasy ranoiray no hotontosain’ny tarika Ny Any Aminay sy ny Zandry Gasy. Izy ireo izay samy manana ny maha izy azy sy samy manandratra ny hira tena malagasy.
Hanatanteraka fampisehoana, eny amin’ny KR Villa Ambohimangakely, ny alahady 25 aogositra 2024, ny tarika Ny Any Aminay. Hifampizara sehatra amin’izy ireo, amin’izany, ny tarika Zandry Gasy. Ankoatra ny fiverenana indray ao anatin’ny kanto, taorian’ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny tarika Ny Any Aminay, ny taona lasa, tanjon’ny fampisehoana ny hampahafantatra misimisy kokoa ny tarika. Ny tarika izay anisan’ireo manandratra ny seho sy ny hira tena malagasy.
Tarika anisan’ny manana ny maha izy azy sy efa ela niseharana teo amin’ny sehatry ny mozika Ny Any Aminay, na dia vitsy aza ny mahafantatra azy. Anisan’ny mampiavaka azy ny fanaovana seho tena malagasy rehefa miaka-tsehatra. Eo ihany koa ny fiangaliany ny hira Malagasy tsy mitapoka. Ny gadona Ba Gasy no voiziny. Zavamaneno maneho izany hira malagasy izany ihany koa no ampiasain’izy ireo. Anisan’izany ny Valiha, Gitara ba gasy, Angorodao, Korintsana ary ny Amponga. Amin’ny ankapobeny, mifantoka kokoa amin’ireto lohahevitra ireto ny hiran’ny tarika: ny fitiavan-tanindrazana, ny fihavanana, ny firaisankina, ny fampaherezana ary ny hiram-piderana. Hatramin’izao, miisa 5 ny sanganasan-dry zareo efa vita, ahitana ny “Mamirapiratra”, ny “Hirahira mamy”, ny “Ilay tany niaviko”, ny “Fitia varo-maty” ary ny “Hira voafantina”.
Mbola manana ny toerany ny karazana hira sy tarika miangaly ny hira tena malagasy, ankehitriny. Tsapa mantsy fa manomboka miverina amin’ny fankafizana azy ireny ny sarambabem-bahoaka, ankehitriny. Eo ihany koa ireo ivontoerana samihafa manome lanja sy sekoly fampianarana zavamaneno manandratra azy ireny.
Lin