Tetikasa RINDRA : faritra dimy mbola hisitraka azy

Ao anatin’ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra eny anivon’ny kaominina ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny Institut national de la décentralisation et du développement eocal (INDDL). Hiara-miasa amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, amin’ny alalan’ny fitalevana mahakasika ny Tetibola sy ny fitantanana fananam-panjakana, amin’izao fotoana izao, izany. Misy ny fanofanana momba ny fitantanana fitaovana amin’ireo kaominina miisa 100 izay hiasan’ny fandaharanasa « Rindra ».
Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpikirakira fitaovana sy fanatsarana ny fitantanana ny harena ara-pitaovana eo anivon’ny kaominina voakasika, mba hisian’ny fangaraharana sy ny fahombiazan’ny fampiasana ny fitaovana sy fananan’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, no tanjona. Mpandray anjara miisa 300 no mahazo tombontsoa amin’izao fiofanana izao. Ny 19 aogositra ka hatramin’ny 11 septambra 2024 no hanatanterahina izany amin’ireo faritra dimy eto Madagasikara: Analan­jirofo, Atsinanana, Menabe, Sava ary Analamanga.

Lin

Partager sur: