Tombanana hibaliaka ny masoandro, ho an’ny anio, eto afovoantany, satria hikisaka any atsimon’i Madagasikara ny rindrin-drahona, raha ny vaovao navoakan’ny Foibe famantarana ny toetr’andro, omaly. Ahitana fiakarana goavana, araka izany, ny maripana ho an’ny eto afovoantany sy ny ilany atsinanan’ny Nosy, mandritra izany. Tombanana hisy rotsakorana any amin’ny tendrony atsimon’i Madagasikara ny tapany maraina. Voakasik’izany ny faritra Anosy, Androy ary ny tapany atsimon’ny faritra Atsimo Andrefana. Mety ahitana zavona kosa ny atin-tanin’i Madagasikara. Hisava tsikelikely izany avy eo ary hibahan-toerana ny masoandro mandritra ny tontolo andro. Tombanana ho eo amin’ny 24°C eo ny maripana any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Manodidina ny 29 hatramin’ny 34 ° C ny maripana ho an’ny tapany avaratry ny Nosy.
Hiverina indray ny tsioka avy any Atsinanana, ny sabotsy sy ny alahady. Hiverina tanteraka ao anatin’ny volonandro ririnina ny ankamaroan’ny faritra. Hiverina hidina toy izany koa ny maripana ary mety ho tonga hatrany amin’ny 19 °C ny maripana ambony indrindra.
Mino