Ambatovy: Nampiaka-peo ny Fisemare amin’ ny fampiatoana asa

Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny trano fisakafoana iray, any Morafeno ireo mpitarika ny vondron’ny mpiasa eo anivon’ny sendikan’ny Fise­mare. Nitarika izany ny sekretera jeneraly nasionaly avy eto Antananarivo, Mananandro, sy ny sekretera jeneraly ao anivon’ny faritra Antsinanana, Dany. Anton’ny fihaonana ny nampiatoana ny asa famokarana sy ny fitrandrahana eo anivon’ny tetikasa Ambatovy. “Mahatsiaro ho tsy voahaja ny zo sendikaly manoloana ny fihetsika nataon’ny tetikasa Ambatovy satria tsy nisy fanambarana mialoha sy fangatahana eo anivon’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny asa sy raharaha sosialy”, hoy izy ireo.
Tsy fampiatoana mpiasa fotsiny fa voakasik’izany ihany koa ny fanafoanana ny asa ataon’ny orinasa Caudis sy Newrest, izay mampiasa olona 120 mahery, raha ny fanambaran’izy ireo hatrany. Ankoatra izay, nahena sy naato ny fandraisan’ny orinasa anjara ireo tokony hiantefan’ny fitarainan’ny sendikà.
Tsy misy idiran’ny tetikasa ny raharahan’ny mpiasa eo anivon’ ireo orinasa manao ny asan’ny tetikasa Ambatovy fa vokatry ny fidinan’ny vidin’ny vokatra trandrahiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa Ambatovy.

Sajo

Partager sur: