Anisan’ny mampandroso ny olona iray, na ny firenena iray, ny fananana angon-tahiry. Antony, fototra iray azo hanaingana hiatrehina ny ankehitriny sy hibanjinana ny hoavy izy io. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola mahasarika ny Malagasy ny fanaovana azy io. Mbola tena vitsy, ohatra, ny tokantrano mitahiry ireo fitaovana nampiasain’ny teo aloha, ka nahafahany niatrika ny fiainany. Avy amin’ireny, anefa, no ahafahana mandrefy ny dingana vitan’ny tsirairay, ny fiarahamonina, sns.
Ny fomba nitaizana ny Malagasy, taty aoriana, no niteraka io tsy fanomezan-danja ny angon-tahiry io. Nozarina notolorana zava-baovao sy manaraka ny vanim-potoana ka nanadino ny fototra niaingana. Vokatr’izay, very fangitra nialana ny Malagasy sasany. Noho ny tsy fananany angon-tahiry momba ny tetiarany, tsy fantany akory izay niandohany.
Raha ny fantatra, ny tany na firenena tatsinanana no manana sy mampiasa ny angon-tahiry maro indrindra raha eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Ho an’i Madagasikara manokana, ny any ambanivohitra no mbola manana angon-tahiry kokoa raha oharina amin’ny eny an-dRenivohitra.
HaRy Razafindrakoto