Bakalorea – Antananarivo: 54,88% ny taham-pahafahana ho an’Antananarivo

Nivoaka omaly ny valim-panadinana bakalorea 2024 ho an’Antananarivo. Tsy mifanalavitra loatra tamin’ny taham-pahafahana ny taon-dasa ny vokatra, satria mahatratra 54,88% ho an’ity taona ity. Ho an’ny sokajy Ose no manana taham-pahafahana ambony indrindra, ho an’ny fampianarana ankapobeny, 68,37%, ary ny sokajy A1 no ambany indrindra, 45,90%. Ho an’ny sokajy L: 66,89%, sokajy S: 66, 59%, sokajy C: 62,87%, sokajy D: 61,99%, sokajy A2: 48,4% . Ho an’ny fampianarana teknika, 74% ny taham-pahafahana.
Anisan’ny zavatra nosinganin’ny mpitsara nandritra ny fandraisana ny taratasim-panadinana tamin’ny taranja Fizika Simia ny fahamaivanan’ny laza adina ho an’ny taranja rehetra ka mampihen-danja ny lentan’ny fanadinana, indrindra ho an’ny sokajy siantifika rehetra.
Ho an’ny bakalorea teknika, tsy nisy ny olana momba ny laza adina toy izay niseho ny taon-dasa, ary azo ambara fa tsara ny naotin’ny mpiadina, hoy ny mpitsara iray. Momba ny karaman’ny mpitsara fanadinana eto Antananarivo, misy ireo ampahany efa naharay ny anjarany ny alakamisy teo ihany.
Eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo miankina amin’ny fanjakana, 30 000 eo ho eo ny isan’ny mpianatra azo raisina amin’ny taona voalohany anatin’ny fakiolte rehetra misy. Ao anatin’ny famaranana ny taom-pianarana ny mpianatra ambaratonga ambony amin’izao fotoana izao.

Vonjy

Partager sur: