Basikety-Mada Vétérans: hiditra amin’ny manasa-dalana, anio

Hiditra amin’ny manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans, taranja basikety. Fifaninanana tanterahina eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Raha ny voka-dalao omaly, nandritra ny ampahefa-dalana, nandresy ny La Rénaissance tamin’ny isa 52 no ho 45 ny ekipan’ny As Éclipse, sokajy vehivavy, raha toa ka nahazo ny fandresena nanoloana ny Tandem kosa ny PMBC, tamin’ny isa 58 no ho 42. Teo amin’izay sokajy vehivavy izay hatrany, anisan’ny hiatrika ny manasa-dalana, anio, ihany koa ny Fitefa rehefa nandavo ny MBB, tamin’ny isa 49 no ho 38, ary ny MMBC izay nanilika ny BCD tamin’ny isa 60 no ho 37. Ho an’ny sokajy lehilahy kosa, tafakatra amin’ny manasa-dalana ny ASSM, rehefa nandresy ny DBC tamin’ny isa 63 no ho 57. Anisan’ny tafakatra ihany koa ny L2BV rehefa nandavo ny Tafaray tamin’ny isa 53 no ho 49. Ankoatra izay, nahazo ny fandresena nanoloana ny TIABC ny BC Blindé tamin’ny isa 54 no ho 42 raha toa ka nanilika ny BBCM tamin’ny isa 68 no ho 52 ny BCR. Hafana tanteraka, araka izany, ity lalao manasa-dalana ity satria efa ireo ekipa sangany avokoa no tafakatra. Hotanterahina rahampitso kosa ny lalao famaranana eo amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans, taranja basikety, ity.

Mi.Raz

Partager sur: