Nanamarika ny fivoriana iraisam-pirenen’ny skotisma, atao any Le Caire, ny nanoloran’ny Federasion’ny skotisma eto Madagasikara vahaolana hanohanana ny fandraisana anjaran’ny skoto amin’ny fanamafisana ny fandriampahalemana. Hifototra manokana amin’ny tanora izany.
Nanohana an’i Madagasikara i Sénégal ary nahazo ny fankatoavan’ny mpivory rehetra ny tolo-kevitra naroso. Voalohany tao anatin’ny 100 taona izany ary mipetraka ho tantara ho an’ny skotisma eto amintsika. “Miaina miaraka anatin’ny fandriampahalemana” no lohahevitry ny vahaolana naroso izay mahatsapa sy manaiky fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena ny fitaizana skoto maneran-tany. Mitondra amin’ny fametrahana fandriampahalemana ireo hetsika fanabeazana samihafa voizina anatin’ny fikambanana skoto.
Mifanindran-dalana amin’ny vahaolana nambara nandritra ny fivorian’ny Firenena mikambana fa homarihina isaky ny 16 mey ny Andro iraisam-pirenena hiainana miaraka anatin’ny fandriampahalemana ny tolo-kevitry ny federasion’ny skotisma eto Madagasikara, efa nankatoavin’ny rehetra any Le Caire. Hanao hetsika mandritra io andro io, isan-taona, ny fikambanana skoto tsy ankanavaka.
Mandrisika ny tanora hazoto hitarika hetsika hisorohana ny ady sy hametrahana fandriampahalemana maharitra ny tolo-kevitra. Tokony ho hita taratra anatin’ny fandaharanasa samihafa izany amin’ny lafiny politika, sosialy ary toekarena.
Mila tohana (fitaovana sy mpitarika) avy amin’ny vaomiera iraisam-pirenen’ny skotisma ireo tanora hametraka fandriampahalemana maharitra. Hamolavola sahanasa hampiharina mivantana ho fametrahana ny fandriampahalemana maharitra ny fikambanana skoto rehetra. Asa hitondra akony ho an’ireo firenena misy ady sy ireo itrangan’ny olana anatiny.
Manomboka rahampitso, hampita ny fitantanana ny fikambanana Tily eto Madagasikara amin’ny ekipa vaovao, Rahaingo Toky, izay nitazona ny andraikitra voalohany nandritra ny telo taona. Mankalaza ny faha-100 niorenany ny Tily amin’ity taona ity.
Vonjy