FANTINA sy FINTINA

Mitohy hatrany. Mendrika fanamaivanana ny fidiran’ny mpianatra ny hetsika tanterahin’ny vehivavy Malagasy miara-miainga (VMMM). Anisan’ny nisitraka izany ireo ray aman-dreny sy mpianatra eny anivon’ny kaominina Ambohimanambola sy ny manodidina, omaly. Nambaran’ny tomponandraikitra mpitantana ny fikambanana fa hetsika fanao isan-taona ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary tahaka izao. Tanterahina amin’ny alalan’ny fitetezana tsena izany sady hamahana ny olana sosialin’ny vahoaka.

Nanaitra ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny eo anivon’ny antoko MMM fa efa lany daty ny PMO-PGE natolotry ny praiminisitra Ntsay Christian. “Tsy mifanaraka intsony amin’ny tetibola nasiam-panitsiana, nahitana fihenana 52,4% amin’ny fampiasam-bola (budget d’investissement) izany”, hoy izy ireo. Tsy mifanaraka amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa vita sonia farany niaraka tamin’ny FMI izany ka tokony hatsahatra ireo asa tsy laharam-pahamehana : teleferika sy lalambe migodana, kianja…

Nanambara ny minisitra teo aloha, i Lalatiana Rakotondrazafy, fa ho sarotra ny adidy miandry ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Anton’izany ny politikan’ny fifehezan-kibo, tsy maintsy hampiharina noho ny fanapahana ny tetibola “coupe budgétaire” tsy maintsy natao. “Zava-dehibe ny fametrahana laharam-pahamehana tena izy araka ireo toromarika matotra sy mitombina nomen’ny filoha Rajoelina Andry”, hoy izy.

Partager sur: