Faritra atsimo Andrefana: Miasa ny 47,5%amin’ ireo famatsian-drano

47,5% amin’ireo famatsian-drano teo aloha, eo anivon’ny faritra Atsimo Andrefana, no mbola miasa, raha ny tatitra navoakan’ny teo anivon’ny Unicef. Voakasik’izany ireo distrika efatra, Betioky Atsimo, Ankazoabo, Beroroha ary Ampanihy Andrefana. Nahitana vovon-drano 446 ao Ampanihy, 226 ao Betioky, efatra ao Akazoabo ary iray ny ao Beroroha. Nanaovana fitsirihana manokana ny fomba fitantanana azy ireo sy ny fitiliana ny kalitaon’ireo rano azo aminy raha toa ka manaraka ny fenitra ara-pahasalama amin’ny maha rano fisotro madio azy. Hahatsapana fa mampanahy ny fisotroana rano amin’ireo distika ireo, fa indrindra ny eo anivon’ny sekoly sy ny toeram-pitsaboana.
Araka io fitanisana io, 47,5% amin’ny famatsian-drano teo aloha no mbola miasa ary mbola mampanahy sy ratsy ny fenitra maha rano fisotro madio ara-pahasalamana ny rano. 63% ny toerana fakana rano no maloto vokatry ny fisian’ny bibikely mamparary. Ahitana ny bakiteria avy amin’ny fiparitahan’ny tay, fantatra nandritra ny fanisana nataon’ny ONG Sahy, miara-miasa amin’ny Unicef izany.
Notanterahina tany Toliara, ny 14 aogositra lasa teo, ny atrikasa fanolorana ireo angon-kevitra mahakasika ny rano. Nahafahana nahazo atontan-kevitra sy antotanisa hampiasain’ny rehetra. Mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra sy mamolavola tetikasa vaovao hiadiana amin’ny haintany mahazo iny tapany atsimon’ny Nosy iny. Ho fanarenana ny fotodrafitrasa efa misy mba hanatsarana ny famatsian-drano fisotro madio.

CMS

Partager sur: