Ankoatra ny maha fanatanjahantena azy, anisan’ny zavakanto feno ihany koa ny dihy. Sady manabe mantsy izy no mampiala voly sy mikolo ny saina.
Tanterahina ny 28 aogositra 2024 hatramin’ny 14 septambra 2024, ny « Festival Temps Fort Danse », andiany faharoa. Ny Institut français de Madagascar no mikarakara ny hetsika, tanterahina amin’ny ivontoerana ara-kolontsaina maro eto Antananarivo. Ankoatra ny fanomezana sehatra manokana ny dihy, tanjon’ny hetsika ny hampiroborobo ny fifanakalozana ara-javakanto sy hanamafisana ny rohy misy eo amin’ny samy mpiangaly zavakanto, indrindra ny dihy. Fampisehoana sy atrikasa ary famelabelaran-kevitra maro isan-karazany no hameno ny fandaharam-potoanan’ny hetsika.
Miditra amin’ny andiany faharoa ny « Festival Temps Fort Danse » amin’ity taona 2024 ity. Vondrona mpandihy sy matihanina eo amin’ny tontolon’ny dihy maro no mandray anjara amin’izany. Anisan’izany ny Cie Dihy Lavitra, Kezia Jonah, Cie Disaraga, Dominique Marceau, Les Frères Joseph, Jarim ‘s Company, Collectif Ndaty, Cie Koloture. Ankoatra ny fampisehoana amin’ny fanokafana ny hetsika, hisy ny fampisehoana maro, sahala amin’ny « Diavolana », iarahana amin’ny Jarim’s company. « Inclusion », iarahana amin’ny Collectif Ndaty. Misy ihany koa ny fifaninanana « Burn It Up K- Edition». Fifaninana natao mifanaraka amin’ny zavatra tadiavin’ny mpiangaly dihy ankehitriny. Misy ihany koa ny atrikasa ho an’ireo matihanina sy ny velakevitra iresahana manodidina ny dihy.
Fahombiazana no azo ilazana ny andiany voalohany amin’ity hetsika ity. Izany indrindra no nanohizana azy ho amin’ity andiany faharoa ity. Nisy ny fanatsarana ho famaliana ny filàna sy hetahetan’ny mpiangaly dihy eto Madagasikara.
Lin