Foara B to C: Ahitana tolotrasa, fiofanana ary varotra

Hanomboka ny alarobia ho avy izao ary haharitra hefarana ny hetsika ara-barotra “Foara B to C”. Fampihaonana mivantana ny mpamokatra sy ny tolotra amin’ny mpanjifa tsy misy mpanelanelana no tanjona, hoy ny mpikarakara avy amin’ny N Com agency, omaly, teny Mahamasina. Tranoheva 100 eo ho eo no hampiranty ny vokatra amin’ny sehatra fito, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena. Anisany ny tolotrasa mivantana sy ny fanofanana samihafa. Afaka mitondra ny taratasy fampahafantarana azy ny tanora mitady asa na koa hisafidy toeram-pampianarana mandritra ny foara.
Fotoana hampahafantaran’ny mpamokatra ireo tolotra na ireo entana vaovao ny foara, andraisany ny hevitry ny mpanjifa. Havondrona anaty tranoheva iray kosa ireo orinasa manome fihenam-bidy manokana anatin’ny sehatra mifangaro ho an’ny faritra Analamanga.
Sady varotra no fialamboly no hatolotra ny mpitsidika ka hisy mpanakanto maromaro hanatanteraka fampisehoana mandritra ny hetsika.

Vonjy

Partager sur: