Hitan’ny Caméra de surveillance: Karohin’ny polisy i Gervais sy Wawa

Ifampitadiavan’ny polisy ao Toamasina ireto tontakely roa lahy fantatra amin’ny anarana hoe Gervais 12 taona sy Wawa, 13 taona, malaza ratsy amin’ny famakiana tranon’olona, ireto. Samy monina ao Ambosaina Toamasina II izy roa lahy ireo. Niditra an-keriny tao an-tokontanin’olona izy roa lahy, nangalatra gisa sy izay azo nobataina, kanjo voarain’ny Caméra de surveillance. Nisy nahatsikaritra izy roa lahy saingy noho ny fahatahoran’ny fiarahamonina ny ray aman-drenin’izy ireo dia tsy nisy sahy nisambotra ny olona. Lasa nitsoaka izy roa lahy ka mbola tsy hita popoka hatramin’izao.

Lasa ny moto sy ny vola…
Nandrasan’ny jiolahy roa nitondra basy ny raim-pianakaviana iray hamonjy fodiana ao amin’ny fokontany Tanam­bao Verrerie Toamasina, parisela 21/74, afakomaly alina. Teo am-piandrasana ny fisokafan’ny vavahadiny izy no notsenain’ireo jiolahy sady voaambana basy. Nasain’ireo olon-dratsy nidina avy eo ambony moto izy ka tsy afa-nanohitra intsony. Vokany, lasan’ireo mpanafika ny moto sy ireo antontan-taratasina orinasa tsy miankina iray, karatra banky, vola 7 hetsy Ar ary finday avo lenta iray. Lasa nitsoaka ireo jiolahy niaraka tamin’ny moto. Hatreto, mbola tsy mipaka any amin’ny rafi-piarahamonina ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana ny ezaka ataon’ny solontenam-panjakana momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Manjaka tanteraka ny asan-jiolahy.

Sajo/J.C

Partager sur: