Mitohy ny fiofanana mpanamora ny tari-dalana. Ho fampandraisana anjara ny ankizy sy ny tanora amin’ny fampandrosoana maharitra ao amin’ny Dren Atsimo Andrefana, tanterahina ao amin’ny EPP Centre,Toliara I, nandritra ity herinandro ity, no natao. Mpampianatra avy amin’ny EPP sy CEG miisa 80, avy amin’ny sekoly 20, avy ao amin’ny Cisco Toliara I sy Toliara II, no nisitraka izany. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Association Zazakely Sambatra sy ny Foibem-pitondrana misahana ny fanabeazam-bahoaka ho olom-pirenena no miandraikitra ny fiofanana.
Hidina indray ny maripana anio sy rahampitso, ho an’ny afovoantany. Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina, any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo, ary ny morontsiraka atsinanana noho ny alondrano avy atsimo sy atsimo atsinanana. Hahery be ny ranomasina, ka anio sy rahampitso ny fampitandremana eo anelanelan’i Morombe sy ny tanjona Vohimena hatrany Mananjary sy ny tanjona Bobaomby.