Tsy nahita fahombiazana tany an-tanin’olona ny solontenan’i Madagasikara, Disciples FC. Lavon’ny Orlando Pirates Afrika Atsimo, tamin’ny isa 4 no ho 0 izy ireo, omaly, nandritra ny lalao miverina.
Ratsy ny vokatra azon’ny Disciples FC Madagasikara, omaly, tany Afrika Atsimo. Tsy tafakatra amin’ny dingana manaraka, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des Champions Caf”, noho izany, izy ireo, rehefa nomontsanin’ny Orlando Pirates, ekipa mpampiantrano, tamin’ny isa 4 no ho 0, tao amin’ny kianjan’ny Orlando Stadium.
Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, hita ho tena nanantombo tamin’ny fifanafihana ry zareo avy ao Afrika Atsimo. Sivy minitra nanombohan’ny fizaram-potoana voalohany, nanakobana ny harato i Mabasa, lohalaharana Orlando Pirates. Taorian’io, nampian’i Mofokeng ny isa ho an’i Afrika Atsimo, minitra faha-25. Tsy afapo tamin’io nefa ny Orlando fa mbola nahatafiditra baolina indray i Maswanganyi, ny faha-30 min. 3 no ho 0, ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Nandritra ny fidirana faharoa, nahatafiditra baolina ny Orlando Pirates, teo amin’ny fiafaran’ny lalao ka lasa 4 no ho 0 izany.
Tsiahivina fa nisaraka ady sahala, samy tsy nisy nitoko, 0 no ho 0, ny roa tonta, nandritra ny lalao mandroso izay natao tany Maorisy, ny alahady lasa teo.
Izay mandresy amin’ny African Stars Namibie sy ny Jwaneng Galaxy Botswana no hihaona amin’ny Orlando Pirates, eo amin’ny dingana faharoa.
Ankoatra izay, hotanterahina rahampitso, any Angola, ny lalao miverina izay hifanandrinan’ny Elgeco Plus de Madagascar sy ny CD Lunda Sul. Fihaonana izay tafiditra amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf.
Fitia Randria