Mitohy ny asa fikarohana ataon’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Menabe, tarihin’ny Kly Faneva, amin’ny fikarohana ireo basy mahery vaika eny ampelatanan’ireo malaso. Fantatra fa fitaovam-piadiana mahery vaika no any am-pelatanan’ireo dahalo, efa an-taonany maro, ao anatin’ny faritra Menabe. Basy Mas 36 roa mbola vaovao sady mandeha tsara na dia efa nisy fanovana aza no azon’ny zandary tao amin’ny distrikan’i Mahabo, ny herinandro teo. Teo aloha, efa nisy basy Kalachnikov sy Mas 36 azon’ny zandary koa tao amin’ity distrika ity. Basy Kalachnikov iray hafa koa azo teny ampelatanan’ny dahalo iray maty voatifitra nandritra ny hetsika nataon’ireo zandary hatrany. Nanamafy hatrany ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Menabe fa efa eo ampelatanan’ny zandary avokoa ireo angom-baovao rehetra momba ny fisian’ireo basy ireo sy ny dahalo mitazona izany. Tsy havela mora kosa izay mbola minia mitahiry izany na dia efa tsy mampiasa intsony aza.
J.C