Minisiteran’ny Atitany : hanatratra ireo vina ny minisitra Rahajavololoniaina

Nandray ny fitantanana ny minisiteran’ny Atitany ny minisitra vaovao, Rahajavololoniaina Nirintsoa. Nametraka fanamby amin’izao andraikitra horaisiny izao ny tenany.

Notanterahina, omaly, tetsy Anosy, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Atitany mpisolo toerana, Andriantsitohaina Naina, sy ny minisitra vaovao hisahana ny Atitany, Rahaja­vololoniaina Niritsoa. Nam­baran’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany tamin’ny lahateniny ny fankasitrahana ireo mpiara-miasa rehetra. “Anisan’izany ianareo eto anivon’ny minisitera foibe sy hatreny anivon’ny distrika sy ny fokontany rehetra eny, tarihin’ny solontenam-panjakana. Nifanome tanana isika tao anatin’izay fotoana nitantanana vonjimaika ny minisitera izay”, hoy izy.
Etsy andaniny, nisaotra ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, i Ntsay Christian, ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Niritsoa. “Ankasitrahana amin’izao nametrahana ny fitokisana ho amin’ny fitantanana ity minisitera ity izao izy ireo”, hoy izy. Natsidiny sahady fa vonona ny hiara-kiasa amin’ny rehetra ihany koa ny tenany ho fampandehanana ny raharaham-panjakana. Eo koa anefa ny fanatrarana ireo vinan’asan’ny filoham-pirenena, ma­nandrify ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany.
Tsiahivina fa nametra-pialana ny volana avrily teo ny minisitry ny Atitany teo aloha, i Tokely Justin, noho izy nirotsaka hofidina ho solombavambahoaka. Nofidin’ireo depiote ho filohan’ny Antenimie­ram­pirenena ny tenany, ny volana jolay teo.

Synèse R.

Partager sur: