Minisitry ny Fitsarana : “Hiady amin’ny kolikoly aho “

“Mandray andraikitra ny tsirairay avy, ary manomboka amin’ny tenako no hanome maodely anareo. Azonareo tsikeraina sy tsikafonina ny lasako na ny vadiko. Sahiko ny manambara an’izany ampahibemaso. Madio izahay niditra tato amin’ny fitsarana; rehefa mivoaka ato izahay: miezaka ho madio mandrakariva”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana vaovao, Rakotomandimby Benjamin Alexis, tamin’ny fandraisana fitantanana teny Faravohitra, omaly.
Hiezaka madio mandrakariva ny fianianana natao. Izy no namaky izany tamin’ny anaran’ny governemanta hoe hiezaka hiala amin’ny kolikoly. Tsy hiezaka hiala amin’ny kolikoly izy, fa efa tsy nanao kolikoly fa miaraka amin’ny besinimaro tsy hanao… Raha tratra manao an’izany, eo ny Fitsarana avo (HCJ), ny Bianco, ny Pac. Hiara-miasa akaiky amin’izy ireo izy. “Tiako ny mpitsara, tiako ny mpandraharaha fonja, tiako ny mpirakidraharaha… Fa ny tsy tiako dia tokana ihany: ny kolikoly. Hiady amin’ny kolikoly aho, fa tsy hiady amin’olona”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: