Notanterahina androany avokoa ny ankabeazan’ny fifamindram-pahefana teo amin’ireo minisitra vaovao. Porofo izany fa miasa avy hatrany izy ireo. Manafaingana fomba fiasa ahazoana vokatra araka ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Andry ny ho avy politikan-dRajoelina izany. Ny ekipany no miantoka ny hanohizany ny dia aorian’izao taom-piasana farany izao.
Asa fa tsy kabary, fidinana ifotony misy fiantraikany tsara amin’ny fiainam-bahoaka no takina amin’izy ireo. Tsy mahagaga raha miolomay mandray angady hiasa izy ireo. Ny bainga voavadika no hany maridrefy hanombanana azy ireo rahatrizay tonga ny fotoana ilana izany.
Naneno izay ny kiririoka hanombohana ny lalao, izay haharitra 36160 ora eo ho eo, ankoatra ny mety ho fanalavam-potoana. Tsy misy toerana ho an’ny andrasoandraso intsony izao. Izay tara fiaingana rahateo mety hihintsana an-dalana. Mazava ho azy fa mety hisy ny karatra mavo, saingy izay ratsy filalao dia hitavana karatra mena.
Amin’izao fotoana izao dia ho vidiana lafo ny fahadisoana. Singa iray anatin’ny manontolo lehibe dia mety hampirodana hatrany amin’ny fototra. Kajikajy politika goavana anefa no mbola tian-kajoro anaty fotoana maharitra. Fanjakana te hanamafy ny fakany rahateo mba tsy hamindram-pahefana amin’ny ankolafin-kery hafa izany.
Mila misikim-ponitra avokoa izay tena naman’ny Filoha, hanatrarany ny vina iraisan’izy ireo.
r.r