Ralambofiringa David Herizo : «Laharam-pahamehana ny famokarana »

«Laharam-pahamehan’ny minisiteran’ ny Fampiroboro­boana ny varotra sy ny indostria (Mic) ny famokarana amin’ny fitadiavana fampiasam-bola hananganana ozinina lehibe», hoy ny minisitra vaovao, Ralambofiringa David Herizo, taorian’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Razafindravahy Edgard, omaly, tetsy Ambohidahy. Hojerena akaiky, hoy izy, ny vidim-piainana andavanandro ka hiara-miasa amina minisitera maro, toy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny minisitera tantaniny, ahafahana miatrika izany. Ankoatra izay, ho tohizana ny fanatanterahana ny Tetikasa Odof (One District One Factory). Ampitomboina ihany koa ny ozinina madinika manerana an’i Madagasikara, ahafahana manodina ireo vokatra faran’izay haingana. Hojerena manokana ny fanodinana ny letisia amin’ny alalan’ny tetikasa Odof. Hanohy sy hitondra ary hanatsara ny asa vitan’ny minisitra nodimbiasany izy. Ankilany, hitady fiaraha-miasa amin’ireo sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ny minisitera hahafahana mampitombo ireo milina hanodim-bokatra.
Nilaza ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra teo aloha, fa miisa 61 ireo ozinina tafapetraka manerana ny Nosy izay nahafahana nanodina ny vokatr’ireo tantsaha. Betsaka ny fanorenana vita nahafahana nampiroborobo ny toekaren’ny mpamokatra.

Henintsoa H.

Partager sur: