Saika hanohitra Polisy: Jiolahy voatifitry !

Lavon’ny balan’ny polisin’ny Sag teny Anosibe, afakomaly hariva, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana sy fanendahana. Teo am-pikasana hanohitra ireo polisy izy no maty voatifitra…

Nirefotra indray ny basy teny Anosibe, afakomaly hariva, nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny jiolahy sy ny polisin’ny Sag. Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana sy fanendahana ity lavon’ny polisy ity. Teo am-pikasana ny hanao asa fanendahana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana izy no nifanehatra tamin’ny polisy. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy momba ny fisiana jiolahy mihaodihaody eny Anosibe miaraka amin’ny sabatra. Nisy nahatsikaritra io sabatra teny aminy io. Mody mijerijery ireo mpandalo mandeha irery sady miomankomana ny hamoaka ilay fitaovam-piadiana eny aminy. Nidina haingana teny an-toerana voatondro ho misy ity jiolahy ity ny polisy. Raikitra teo ny fifanenjehana satria nirifatra nitsoaka avy hatrany, raha vantany vao nahatazana ireo polisin’ny Sag hisambotra azy, izy. Navoakany ny sabatra teny aminy mba hanoherany ireo polisy nanenjika azy. Saika hanohitra ka voatery nitifitra ny polisy. Maty tsy tra-drano ilay olon-dratsy.

Ikoizana amin’ny fanendahana…
Maro ny asa ratsy efa vitan’ity jiolahy maty voatifitra ity, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Eo Anosibe hatreny Anosizato Atsinanana sy Andrefana no tena fanaovany ny asa ratsiny. Lasibatry ny asa ratsiny ireo tratra hariva na ireo mandeha fiara ka tratran’ny fitohanana. Maro rahateo ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisian’ity jiolahy ity. Jiolahy nokarohin’ny polisy hatry ny ela izy ireo noho ny asa fanendahana, kanjo izao maty voatifitra izao ihany. Fantatra fa mbola misy namany mpiray tsikombakomba aminy saingy efa eo am-pikarohana azy io ny polisy amin’izao fotoana izao.

J.C

Partager sur: