Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifampindram-pahefana teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Fanamby napetraky ny minisitra Abdulah Marson Moustapha ny hanafainganana ny fampandrosoana eo anivon’ny MJS.
50 taona niseharana teo amin’ny tontolon’ny basikety ary 45 taona naha mpanazatra azy, Randrianarivelo Deda. Hisy ny fanamarihana izany eto Antananarivo, eny amin’ny Sainte Famille Mahamasina, ny 22 septambra ary any Antsirabe, ao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy, kosa ny 21 septambra izao.
Notontosaina nanomboka omaly, tany Antsiranana, ny andiany fahatelo amin’ny fifaninanana “Festikite Madagasikara”. Miisa 136 ireo olona tonga any an-toerana. Tsiahivina fa ity hetsika ity, izay karakarain’ny Mada Kite Bros. Misy karazany maro ny taranja hifanintsanana any an-toerana, anisan’izany ny windfoil, ny kitesurf Slalom, ny windsurf slalom, ny big air, ny freestyle sy ny best impression.
Araka ny vaovao mandeha ao anaty tambajotran-tserasera omaly, fantatra fa maratra i Bellingham, mpilalaon’ny Real Madrid. Tsy afaka milalao mandritra ny iray volana ny tenany, araka izany. Tsiahivina fa lalao roa izay no nataon’i Bellingham, tamin’ity taom-pilalaovana vaovao ity.