VAOVAO TAMBATRA

Feno 30 taona ny Gerp, Vondrona fikarohana mahakasika ny varika eto Madagasikara. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny filohany, ny Pr. Ratsimbazafy Jonah, sy ny fampirantiana ny lalana nodiavina, teny amin’ny Akademia Malagasy. Lohahevitry ny fankalazana ny hoe:  “Ny varika, tsy fihinana, tsy fiompy ary manan-danja ara-toekarena satria misintona mpizahatany”.
Mamokatra katsaka manodidina ny 400 t isan-taona ny any Ankilimahavelo, distrika Manja. Araka izany, novatsian’ny tetikasa AD2M avy amin’ny Fida, masomboly katsaka, kabaro, tsaramaso, voanjobory, sns, ny tantsaha mivondrona ao anaty kaoperativa, ao amin’ny fokontany Antselibe, kaominina Ankiliabo. Mirefy 1 500 ha ny baiboho azo hambolena.
Mifarana anio ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny fampamokarana ny atirano andiany fahateo, ao Sambava. Maro ireo tranoheva nampiranty ny vokatra any an-toerana, nandritra ny telo andro nanaovana ny hetsika. Nisy ihany koa ny torohevitra nomena ireo hahafahana mampiroborobo ny sehatra fampamokarana anaty rano.
Mitentina 16 603 dolara ny iray taonina amin’ny nickel eo amin’ny tsena iraisam-pirenena raha toa ka efa tafakatra 19 000 dolara izany ny volana mey teo. Miroborobo ny teknolojia vaovao miala amin’ny fampiasana nikela, izay mamokatra vatoaratra ampiasaina amin’ny fiara mandeha amin’ny herinaratra.

Partager sur: