Tontosa, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana teo aloha, Ratohiarijaona Suzelin, sy ny handimby azy, i Hajarison François Sergio, sy ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahiana.
Fanamby lehibe hapetrak’ireo minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanodinana ara-toekarena, fa indrindra ny fahafahan’i Madagasikara hanondrana vary any ivelany.
Naneho ny fahavononany hanatratra ireo tanjona maro napetraka ny minisitra Hajarison François sy ny sekreteram-panjakana Razanamahefa Tahiana. Ao anatin’izany ny fanatanterahana ny paikady napetraka. Nilaza ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, fa « fiaraha-miasa no fahombiazana, ary mandroso lavitra isika raha miara-mifandrimbona ».
Tsiahivina fa vina napetraky ny fanjakana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary ao anatin’izany koa ny hanondranana ny vokatra any ivelany, indrindra ny vary. Maro ny fandaharanasa ao amin’ny Minae miompana amin’ny fambolena. Toy ny fanampiana kojakojam-pamokarana, ny zezika, ny masomboly, sns, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka vahiny isan-tsokajiny. Eo koa ny fikarohana eto an-toerana, iarahana amin’ny Fofifa sy ny firenena mpiara- miombon’antoka, toy ny fandaharanasa Japoney Papriz, ny sinoa, amin’ny alalan’ny fampiasana masomboly vary safiotra.
Njaka A.