Amboaran’ny Caf : Raraka ny Elgeco Plus na nanao ady sahala aza

Nanao ady sahala tany an-tanin’olona ny solontenan’i Madagasikara, Elgeco Plus de Madagas­car, tamin’ity fiadiana ny amboaran’ny Caf ity. Nisaraka tsy nisy nitoko, 0 no ho 0, tamin’ ny CD Lunda Sul izy ireo, omaly, nandritra ny lalao miverina.

Tsy tafita amin’ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf, ny ekipa malagasy rehefa nanao ady sahala, 0 no ho 0, tamin’ny CD Lunda Sul avy atsy Angola, omaly, tao amin’ny kianja Luanda Estadio 11 Novembro Angola. Tsara marihina fa ady sahala, 1 no ho 1, koa ny lalao mandroso nikatrohan’ny roa tonta. Ny Malagasy no nandray io fihaonana io ny alarobia lasa teo. Araka ny lalànan’ny fifanintsanan’ny Caf, izay nahatafidirana baolina tany an-taniny no resy raha sendra sahala tsy misy mitoko ny fifanandrinana faharoa.
Raha hiverenana anefa ny fifandonan’ny roa tonta, hita ho tena nanantombo tamin’ny fitazomam-baolina ny ekipan’ny Elgeco Plus de Madagascar. Teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, samy tsy nahita fanafihana mampatahotra loatra ny andaniny sy ny ankilany.
Rehefa niditra teo amin’ny fidirana faharoa, niezaka nanakobana ny harato ny ekipa malagasy Elgeco Plus. Maro ireo fanafihana tokony hivadika isa ho azy ireo saingy tsy nifanitsy tamin’ny masonarato izany.
“Maro ny fanafihana natao, fa tsy nety nahatafiditra baolina ny mpilalao. Nandritra ny fizaram-potoana faharoa no hita fa tokony handresy izahay saingy ireny no vokatra. Nanao ny tsy nambinina izahay”, hoy ny mpanazatran’ny Elgeco Plus Madagascar, Andry Hildecoeur Henintsoanarivo na Coach Dekera.

Fitia Randria

Nihintsana teo amin’ny fihaonana voalohany na ny savaranonando avokoa ny solontena malagasy tamin’ity fifaninanan’ny klioba afrikanina izay karakarain’ny Caf ity. Ny Disciples FC, izay niatrika ny “ligue des Champions Caf”, nampodian’ny Orlando Pirates avy atsy Afrika Atsimo. Ny Elgeco Plus, tompon’ny amboaran’i Madagasikara, nampiondrehan’ny ekipa angoley, CD Lunda Sul, nandritra ny amboaran’ny Caf.

Partager sur: