Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny valim-panadinana bakalorea ho an’i Toamasina. Ho an’ny fampianarana ankapobeny, mahatratra 65,66% ny taham-pahafahana, raha 78,33% kosa ho an’ny fampianarana teknika. Manome taham-pahafahana 66,30% ho an’ny fanadinana tamin’ity taom-pianarana ity, raha ny fanazavana azo.
Ny zoma tamin’ny 5 ora hariva vao niantomboka ny “délibération”, nialohavan’ny adihevitra tamin’ireo mpitsara ny taratasim-panadinana momba ny salanisa ambany indrindra horaisina. Nambara taorian’izay fa ny zoma misasakalina no apetaka ny lisitra ahitana ny anaran’ireo mpiadina afaka. Tsy nipetraka izany valim-panadinana izany raha tsy ny sabotsy tamin’ny 10 ora maraina nefa ny ankamaroan’ny ray aman-dreny sy ny mpiadina efa niaritra torimaso niandry teo anoloan’ny foiben’ny ofisin’ny bakalorea ao Toamasina. Nitarika fimenomenomana mafy izany fihetsiky ny tomponandraikitra, fahataran’ny famoahana ny lisitra, izany. Voatery niantso ny prefen’i Toamasina izy ireo ka ity farany no nanaitra ny tomponandraikitry ny bakalorea hamoaka ny lisitra.
Sajo