Birao politikan’ny MMM, Ramaroson Laurent: “Sarotra ny hanantena an’io governemanta io”

Maromaro ireo mpanao politika naneho hevitra, taorian’ny fitsanganan’ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Anisan’izany ny eo anivon’ny birao politikan’ny MMM, Ramaroson Laurent.

Nambarany fa afaka telo volana na hatramin’ny faran’ny taona any vao tena hihodina tanteraka sy ho afaka hampandeha ny raharahany avokoa ireo minisitera ireo. Mbola olana hafa koa ny momba ny vola sy ny hoenti-manana amin’izany. “Mbola maromaro ireo fanendrena sy fanovana tomponandraikitra ambony eny anivon’ny departemanta isan-tokony ireny ary mitaky fotoana maharitra izany”, hoy izy. Eo koa anefa ny tsy fananan’ny fanjakana vola amin’izao fotoana, araka ny nambarany. Tsy hahita asa mivaingana sy azo tsapain-tanana ary hiantraika any ifotony araka ireny nambara ireny izany ny vahoaka noho ny tsy fahampian’ny enti-manana. “Mbola vola avy any ivelany no andrasana. Iza amin’ireo mpamatsy vola na mpiara-miombon’antoka koa anefa no efa vonona hanome iza­ny?”, hoy ihany izy.

Tsy mazava ny tena laharam-pahamehana

Natsidiny fa tsy mbola voafaritra mazava sy antsipiriany amin’ny tena laharam-pahamehan’izao fitondrana izao. Notanisainy amin’izany ny ho fampidirana ny mpianatra any an-tsekoly, ny fiatrehana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Eo koa ny vidim-panafody sy ny olana eny anivon’ireo hopitaly na toeram-pitsaboana… Tsy mino ary tsy matoky sady tsy manantena ny hivahan’izany olana sosialy izany amin’izao tsy fanananan’ny fitondram-panjakana vola izao ity mpikambana eo anivon’ny birao politikan’ny MMM ity.
Tsiahivina fa samy efa niteny sy nanamarika izany olana amin’ny tetibola izany avokoa ireo mpanao politika. Anisan’izany ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny sy ny minisitra teo aloha, i Lalatiana Rakotondrazafy.

Synèse R.

Partager sur: